You are here: home > Vetso

Soa fa nisy vehivavy ! - Samoana

Azo vakiana?

Soa fa nisy ianao ry Neny
Mamin'ny fo mpanambitamby
Mifoha maraina, alim-pandry
Tsy mba fanaka malemy

Soa fa nisy ianao ry Bavy
Mamakely tso-panahy
Akamabôna sy favy
Hantahantan-dranadahy

Soa fa nisy ianao ry Vady
Sombin'aina nofinidy
Hiara-dia sy hibalady
Hizara mamy sy mangidy

Soa fa nisy ianao Rasipa
Mamaly ny antso mifanesy
Tsy manavaka tarehy sy bika
Fandanianay SMS !

Adim-piainana isan'andro
Herisetran-dehilahy
Mankaleo sy mampanavy
Soa fa nisy anao ry Vavy !

Misaotra Anao r'ilay Nahary...

Samoana, 08 Marsa 2006

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

pissoa (08/03/2006 17:27:15)

Misaotra eeeeee!

Soa fa nisy anao ry Samoana, hihihi

lapino (08/03/2006 17:38:55)

Fa raha tsy izany ... ?

sipagasy (08/03/2006 19:04:20)

misaotra e!

kala (09/03/2006 08:28:44)

milay le izy ê! relsi bôkou

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Samoana

Nampiditra : Samoana
Daty : 08/03/2006
Mpamangy : 1435
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mifankatiava ihany e !