Mifankatiava ihany e ! - Samoana
Azo vakiana?
Tsy afaka am-bavako ny fampiresahana
Toa mpikabary efa mila ho fanina
Ny fifankatiavana no tiako masahina
Matoa aho miteny tsy mety mijanona.
Tsy afaka an-tsaiko ny fieritreretana
Toa olon'adala efa lasa vinany
Ny fifankatiavana no tiako raiketina
Matoa aho manofy paradisa eto an-tany
Tsy afak'imasoko ny fitomaniana
Toa rahona mainty tsy mahatanty zaka
Ny fifankatiavana no mba faniriana
Matoa mitsaoka ady izay mbola manjaka!
Tsy afaka am-poko ny fanantenana
Toa ody mamelona aina miletsy
Ny fifankatiavana tsy maty ravàna
Matoa isika mino:tsy maintsy mandresy!
Samoina, 09/03/2006
Sokajy :
Fanantenana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Samoana
Nampiditra : SamoanaDaty : 13/03/2006
Mpamangy : 1320
Mankafy : 0