You are here: home > Vetso

Embona - Samuël Ratany

Embona
Ho an'i JJ Rabearivelo
Noho ny "Coupe des cendres"

Fa hay ve ny rivo-mandalo dia sahy
Nanaitra tsy satry ny foko natory,
Ka nety nitondra fitserana ho ahy,
Dia tsetra nipongatra tsy hitako akory !

Ny saha fatorian'ny fanadinoana
Dia efa nangina sy ntaolo dia ntaolo,
Fa rakotry ny andom-pisentosentoana,
Tsy misy mpisaina toa vohitra haolo.

Kanefa maninona kosa ary, ho'aho,
Ilay takoperin'ny fo nitadidy
No nety nandefa ny ran'ny talaho
Hitobaka anaty kapoaka mangidy?

Tsaroako va re izany andro fahiny
Izay nampisendaotra fanahy falifaly ?
Ny fasana ve no homeko ny tsiny,
Satria izy ihany no toa nampijaly ?

Satria hofa-tanana tokana monja
No nanakambanany olona iray;
Kinanjo ampidiriny anatin'ny fonja,
Dia fonja hirindrina mandrakizay!

Ny fahafatesana! fantatra ny asany,
Ka moa hahataitra? Mangina e, ry foko!
Ny fahatsiarovana ny havana lasany
Dia mampitambesatra ziogan-toloko.

Atao hoe: mihodina, hono, ny tany;
Ny fiainana, hono, misolo,misolo;
Ny masoko angaha mahadininika izany,
Rehefa misento izy vonto daholo!

Misosa, misosa eny ihany ny taona,
Ka toa tadidy 'lay ora sy daty;
Tomoetra ny fo dia alana ny saona,
Ny fahatsiarovana anefa tsy maty.

Ka ny lokon'ny rahona ve ho jerena,
Ka dia hampisento ny vohon'ny tany;
Na mbola ho fotsy io , na mainty , na mena ,
Lalàna : tsy maintsy manakona ihany !

Samuel Ratany (Ny Mpandinika, lah 123, 2 Avril 1926)

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

pissoa (11/05/2006 09:25:56)

Isaorana an'i nikopol.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Samuël Ratany

Nampiditra : pissoa
Daty : 11/05/2006
Mpamangy : 11179
Mankafy : 6

Tononkalo hafa

Nofiko, hono ...
Raha