Ilay sarinao (SANDRATRA TONTOLO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sarinao irery ihany
no hany mba fijery
ary koa mampahery
rehefa sendra irery

Ilay molotrao mitsiky iny
sy ny masonao mijery
toa milaza ankehitriny
fa mbola any ilay fitia fa tsy very

Any tokoa mantsy ianao,any lavitra ahy
tsy hita,tsy eto akaiky mba ho fihinina
ka rehefa lasan'embona sy mahatsiahy
dia ilay sarinao ihany no banjinina
--------
Rohy:
Sokajy : embona
5963 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
Zozoro ( 16/06/2009 14:41)
Tena tiako. Mankasitraka tokoa. Alefaso ny manaraka
salema ( 10/06/2010 07:44)
tsara ka ary mampatsiahy ny lasa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA TONTOLO
Nampiditra : tontolo
Daty : 16/06/2009 13:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144