Io fihetseham-po io - Sedra
Tsy haiko faritana io fihetseham-po io
Hatramin'izay niainako ka mandrak'anio
Ankehitriny anefa dia fantatro ilay izy
Fa ilay aretina mpahazo ireo ankizy
Izay vao hitako sady miha-mazavazava
Izy io kay ilay sefon'ny mpampijaly lava
Ireo olona izay nahatsiaro ho nitoerany
Dia mahatsapa f'efa samy efa nifoterany
Io fitiavna io no tiako hahatongavana
Tsy mifidy izy io na namana na havana
Fa izay azony dia ataony savolaina
Dominy mafy mba tena ho tonga saina.
Sokajy :
FITIAVANA
Mombamomba
Mpanoratra : Sedra
Nampiditra : SedraDaty : 29/11/2003
Mpamangy : 2359
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
" ty ataonao! "Miora
Diniky.nysaiko