Diniky.nysaiko - Sedra
Azo vakiana?
raha nandinika ny saiko, dia ny endrikao mazàna
no matetika tsaroako dia ilay fitiavana mafana
raha nandinika ny saiko dia ianao mitsikitsiky
toa tsy afaka ato an-tsaiko,ity ianao mamikiviky
fa lasa lavitra ny saiko iny izaho mba irery
lasa lavitra aminao,ka matetika mijery
mahatsiaro anao mitsikitsiky.foana
na fahavaratra io na lohataona
misy zavatra tsikaritro raha nandinika ny saiko
misy zavatra voakaroko aminao,ry nolalaiko
tysy inona izany, fa misy feo izay tsy haiko
maneritery lava ka mibahana ato an-tsaiko
toa tsy mety mahalala,ny fisiako mihitsy ianao
toa minia miadaladala,tsy misaina izay atao
hamaly,kosa angamba ianao izato ianao
miseho mitsaratsara ny zavatra ,efa lasa
ka nanoratra eto,miangaly ny kinasa
Mombamomba
Mpanoratra : Sedra
Nampiditra : tatihDaty : 15/12/2003
Mpamangy : 3349
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
" ty ataonao! "Miora
Io fihetseham-po io