Omeo lohateny fa manina loatra aho (Serge Tsiafera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izay ianao ry malala,
mbola voatazona any alavitra any
Malahelo anao tokoa ty foko kely adala,
tsy afa-manoatra izy ka mitomany

Miezaka hatrany aho mahandry anao,
na dia ataoko somary mijaly aza
Satria efa nomenao toky feno,
dia miaritra izay maharary aty

Modia amin'izay moa ry tiako,
fa ho faty irery ato anie aho
Na ny mpitsabo aza ato efa miala-maina,
ndeha hono antsoy ny malalanao

Tsy nampoiziko haharitra ny dianao any
Naninona koa moa aho no tsy mba noentinao ?
Ny andro iray roa mety ho vitako irery,
fa izao ela loatra ka masaka ny fery

Tongava moa raha azo atao,
Ho tanterahiko anie izay rehetra sitrakao
Satria ny anilanao no ilaiko hatrany
dia ho sambatra mandrakizay ny fanahiko
--------
Rohy:
411 1
Mpakafy: rtfserge
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Serge Tsiafera
Nampiditra : rtfserge
Daty : 26/01/2022 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138