Aingam-panahy (Sitraka Feno Tanteraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saro-tsoritana toa volo ngita
Sy sarotra ailika toa safosafo ;
Mitondra, mibata kanefa tsy hita,
Tsy tohitra atrehina toa lelan' afo.

Fa Toy ny fisosany lakalakanina
Ambonin' ny rano korianan' Ikopa,
Tsy taitra, tsy maika no sady milamina
Adolan' ny rivotra sy topatopa.

Mitsaika, mipaika toa ora-midona
Sy mitaitaika ao an-tafo kapila.
Toa hora-tsahona anaty honahona
Miara-miredona toa hirahira.

Mifioka, misioka toa ora-mikija
Mandemy fanahy ao anatin' ny alina.
Manakoako na iva dia iva,
Mitataovovonan' ny mamatonalina.

Mitroatra, mihoatra sy mianika imorona.
Tsy toha toherina toa rian-drano.
Manana elatra toy an' ny vorona,
Afa-manidina tonga ao an-trano.

Sitraka Feno Tanteraka
18 aogositra 2018
--------
Rohy:
948 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka Feno Tanteraka
Nampiditra : sitraka Feno Tanteraka
Daty : 05/07/2017 01:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1036