Ho anao ry tiako (So)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO RY TIAKO

ianao ilay mampijaly mankarary
no tô vô maika ilaina sy tsaron'ny aina
ianao ilay toy ny lolo mitety ny tontolo
no indro irina ho eo antratra sy mba koa hampitraka

meteza re ry tiako mba hampangina ahy
hanala ny tomany sy ireo ahiahy
fa efa tiana ianao ka sarotra ahy ny handao
hahafoy anao ho anolonkafa izao

fa anao irery ihany ny fiainako eto antany
na ny tsiky izany ; eny na koa ny tomany
de raha ianao no antony tsy mampaninona tsy akory
fa hiafiako avokoa na de tsy mampahita tory

ny hany faniriako zao de ny mba hiaraka aminao
fiarahana milay lavitry nysento indray
fa efa be izay ry sombinaiko ny andrakandranao
sao de mba ho lavo mafy eo ny hiafarany ka haratra mafy ity ianao

faniriana ihany ny ahy raha toa ka sitrakao
fa anao ny safidy sy mandidy ny fiainanao amin'izay tiankatao.
tsarovo fotsiny aky; fa ny fiainana toy ny laroampiarakodia
ny ambony mety ho ambany any aoriana any.

fa izaho kosa de tsy hiova sanatria fa ny foko efa tia!
tsy misy miafina aminao izany fa tena fantatrao
fa izaho de tena tia anao ary tsy handao
na oviana na oviana fa ho eo anilanao.

Tiako ianao
So
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - FITIAVANA
2687 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
NyKanto ( 25/11/2004 16:19)
Mankasitraka an'i So ary mampahery anao hatrany hanohy sy hamolaka ny teny malagasy...

Ny Kanto.
Nanour ( 30/11/2004 17:57)
Mampieritreritra
Miarantsoa ( 07/01/2005 09:08)
Fa ny fon'izato foko ?
Tsy manam-po intsony
Hitia ankoatra anao!
SOBIKA ( 07/01/2005 16:35)
mankasitra ry reto ah!
Misaotra mifampahery fa mitondra Tsiky Ianao!
so
ahi ( 26/01/2005 09:14)
Sobika à! Asio tsikitsiky
Dia ho rava mora iky
Reo dondan'ny ankaso
Dia aza avela handavaka
Fa... totofy @ vavaka
Aza asiana andraso...
SOBIKA ( 02/02/2007 11:42)
Ahi;
misaotra aki;
hofongorina ny toloko
ary ndeha ovaina loko; ka ho avy feno tsiky ny irina iky.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : So
Nampiditra : SOBIKA
Daty : 25/11/2004 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165