Soa ihany - So
Azo vakiana?
Soa ihany
Soa fa teo izy nitondra hafaliana
Soa fa teo izy nanala hakiviana!
Soa fa nisy ny andro vaovao mba hamantaranao fa hay....
Tsara sady mamy ny fiainana eto antany;
na de mifanesy aza ireo tsiky sy tomany
Fa izay ilay fanomezana nomena ahy sy ianao
Soa fa teo izy nampatsiahy izany.
Lalina mihitsy izany tranga iray izany
Toa tena mampandainga sy tena mampanontany
Hoe de saika tsy tsaroana fa tena tsara anie
Ilay fiainana nomena raha tsy teo izy nanome
Tsiky monja ihany no nomeny taminizany.
Ho raketiko ato ampo ho soratako eto koa
Fa soa fa teo ianao nampitraka ity loha
Fa ilay fo mantsy efa saika maina
Nitomany ;nitaraina
No indro nahatsapa inday fa kay isamaraina
De azo asolo tsiky ny fahoriana izay mikiky.
So
Hevitra mandeha
Miarantsoa (09/02/2005 17:00:46)
Soa .....
Soa ihany fa tsapanao izany ry Soa !
Saro - bidy tokoa ny fitsipiny ary mihavao isa- maraina ny Fahasoavany sy ny Famindram- pony !
Deraina ilay Nahary
Miarantsoa
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : So
Nampiditra : SOBIKADaty : 04/02/2005
Mpamangy : 656
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ho anao ry tiakoDila ny ela sy ny ela e
Dila ny ela sy ny ela e