Ekeko (SouAnni)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niova ny fiainako hatramin'ny nifanenako taminaoNiha-tsara ny tontoloko rehefa nahalala anao
Miha-faly hatrany ny foko fa eo anilako ianao
Feno fanantenana ny saiko noho ny fitiavanao
Zava-tsoa sesehena no natolotrao tsy misy fetra
Nampianarinao ny foko hankato sy hahay hitia
Toetra soa marobe no nampianarinao ahy
Ka fiainana hafakely no indro efa nomaninao
Tsy ny vola aman-karena hoy ianao no maha-sambatra
Fa ny fetezako hihaino sy hiaina zava-tsoa
Tsy ny fahaizana amam-pahalalana koa no ho ampy hahafaly
Fa ny fahaizako hianoka ao anaty hasambarana
Resy lahatra aho izao ny hanaraka ireo teninao
Ka ireo anatrao no indro hoentiko miaina
Ekeko ianao, ka ny lalanao no ho lalako, ny fiainanao no ho fiainako
Ekeko ianao, ka hanara-dia anao no tanjona ifaharako
Natolotrao ahy avokoa ireo lalana mahasoa
Nomenao ahy koa ny fahaiza-misafidy
Fitiavana miampy fahasoavana no indro arotsakao
Misaotra Tompo Jesoa, misaotra indrindra, misaotra betsaka tokoa
Sou'Anni
--------
Rohy: