Mianara ihany (S'tia)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy manabeRaha mbola misy ny miantoka
Dia milofosa be dia be
Fa ny fiainana io no antoka
Aza arianarina ny fotoana
Aza lalaovina ihany koa
Fa raha tafita eo anoloana
Ny fahaizana ,vokatsoa
Ny redraredra moa mandalo
Fa ny ora mandeha ihany
Ny fahabadona no fahavalo
Raha mbola miaina eto an-tany
~s'tià~ ¥anosivavaka¥
8-03-2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Malalaka