You are here: home > Vetso

POETA KOA IANAO - S'tia

Azo vakiana?

Poeta koa ianao
Mahita ambara lava
Tsy mety hangina mihitsy
Na ilay rahona mainty toa lasa nisava
Fa ny teny omenao tena tsy mitsitsy

    Poeta koa ianao
    Manana aingam-panahy
    Ka raketinao daholo izay tianao havoaka
    Miteny ampasahina maneho fa tena sahy
    Ka fenonao dahalo ireo rehetra laoka
    

Poeta koa ianao
Mahavaly izay rehetra
Mamorona eo an-toerana
Ilay kanto voafetra
Voalaza tsy misy ferana

      24.10.17S'TIA
ANOSIVAVAKA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : S'tia


Nampiditra : Adalako
Daty : 05/02/2020
Mpamangy : 168
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Poezia
Fanatontolona
Namana