Kanto hianao (taratriniaina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto loatra hianao ry TiakoTsy hoe tiako satria kanto
Na hoe manome izay Iriako
Tsy hoe koa ny volonao milanto
No namabo ny fitiavako
FA hianao manontolo
Tsy anombinana ,tsy ampiana
No tiako ho tiaviko
Satria kanto hianao rahavako
Ny masonao mijery
Ny vavanao miteny
Ny tarehinao indrindra
Eny hatramin'ny famindra
Dia kanto ,meva ,sy mirindra
Eny kanto loatra hianao
Ry asan-tanan'ny Mpahary
Tsy nataony sarisary
Fa vita lavorary
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/taratriniaina/kanto-hianao
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha

bichette
(
22/07/2004 09:15)
endrey, tsara ny asa-tanann'Andriamanitra !

tsila
(
09/03/2010 11:32)
valin-kira ho anao : http://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/kanto-nefa

taratriniaina
(
07/07/2010 14:55)
Misaotra @ le valikira e!