Tsy anjara - taratriniaina
Azo vakiana?
Rahavako, tsy lavorary le fitia noandrandraiko
satria voarara, tsy azo ambara.
Eny, tsy rariny kanefa hikipiko
Fa ny anjara no mandrary ny fiafarana.
Na tiko aza ianao de izy no fidiko,
Na mamiko aza ianao de izy no hofihiniko
Koa de mitsodrano anao ho tojo ny lalaina
Izaho mantsy efa azy ka tsy afaka zaraina.
Kanefa tadidio, fa ato ampoko ianao,Ao an'eritreritro ao
Na tsy tafaradalana aza isika,
De voarakitro ho tantara ireo nofinofy,Ireo tsiambaratelo.
Sanatria tsy hangatsiaka.
Taratriniaina,
1/10/2010
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : taratriniaina
Nampiditra : taratriniainaDaty : 01/10/2010
Mpamangy : 3630
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Noely tsy honohonoRaiki-pitia
Ry taniko
Tsy kivy e
Kanto hianao