Indray androany (T'Bingy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valala misidina
Mitady ny hanin'mba hoanina
Ny eto dia sahan'pary midadasika
Feno sokina mankadiry tanana,
Tanàna somary kely,bitika
Nefa matetika feno hazavana

Mandrotsirotsy matetika ny soratra
Manaraka ny fidobokin'fo,
Manoratra eto aho
Fa matetika misy ambara,azo ambaraina

Momban'ny..
Androany,Rahampitso
Tsy fantatra..izay hiafarana
Fa ny misy aloha efa tantara

Enganie ny rivotra hitondra amin'ny fanahy tsara
Na dia miodina isan'ora ary ny tany
Ny ahy navadiko foana pejy
Satria mbola bobaka ny tasitara
Mahakasika ny Gasikara

Vitsika mitady zava mamy
An'tany lavitra
Sendra tantely ka mibitaka tsara
Ny jorery variana misioka
Miandry ny maha mpanakanto azy,
Aleo tsy mifampijery tandrify,
Fa ny an'tena no atao tsara

Kakazo mahintsy
Tsy ho very mandeha
Na tsy mifantina aza ny mpaka kitay
Mahay manavaka ihany

Tsy mitsahatra miezaka ny tanora
Mamboly any anaty tany lonaka
Fa mazàna ny saha mihitsy no feno dahalo
Tsy zoviana amin'ny maro..

Dia rehefa tonga ny fihotazana
Dia asainy mandoa vola

Fa hoe an'zareo hono ny tany...

Tsy mahagaga,
Raha toa ka..tsy maha vanona ny vokatra
Satria izay mamelana dia katsanana
Tohanana
Tsy avela andravaka ny tanindrazana...

T'Bingy
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
63 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : T'Bingy
Nampiditra : TBingy
Daty : 13/03/2024 06:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131