You are here: home > Vetso

Neny - Tenio

Misento ity foko
Ny ranomasoko mipotraka
Misento mitoloko
Ny alaheloko mitosaka

   Roa taona lasa izay
   Nefa tsaroako toy ny omaly
   Ilay andro rartsy iray
   Nantsoiko ianao fa tsy namaly

Fa lasannao ry tany
Ilay hany mba tokako
Ilay reny mba hany
Fihantana fialofako

   Izay dada tsy mba tsaroako
   Nandao ahy fony kely
   Ianao no mba tokako
   Tsy nanary velively

Na sarotra aza ny miaina
Isika roa niara niafy
Ianao sanatria ny nitaraina
Na dia sendra izay mafy

   Ny fianarana hoy ianao
   No hany mba harena
   Avelako ho anao
   Ka vitaiko ampahendrena

Lehibe ity ny zanakao
Kamboty manirery
Ka izay kasaiko hatao
Dia ho voninahitrao ry Neny


  
  

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Tenio

Nampiditra : Tenio
Daty : 06/05/2004
Mpamangy : 936
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Hevitra mandeha

hendry (08/05/2004 13:47:53)

Mampalahelo be ilay izy, indrindra @ zao akaiky fetin´reny zao.

Karajia (18/05/2004 11:25:37)

courage tenio a ! hoy karajia namanao

Hametraka hevitra

Midira aloha