Commentaire à propos de Sombiny misy anao

Revenir à Sombiny misy anao
hasiniony ( 16/04/2011 12:37)
Mionona sombinaiko
Fa ny lalana mankany feno rafy
Ny hanadino anao tsy haiko
Saingy raha atao an-ditra mahafaty
Tiako halevina ny embona
Saingy nofongarinao ny taolambalony
Mantsy! tsy fitia vao mitrembona
Fa fararisan'ny tadidy no tantarany
...
Inoako mantsy fa any ho any
Nisy nahavita ankany
Ao am-pony mba ho anao
Na lavitra aza tsy mandao

Ka aza mihelohelo intsony
Ry aviavy tsy namony!
tiarah ( 22/04/2011 14:42)
Mankasitraka fa tsy ratsy ny setriny atolotrao
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0093