Sombiny misy anao (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy mety mionona ny fo
Fa miandry ny hiverenanao
Anio, rahampitso, voatanisa avokoa
Hoe rahoviana no hisy hahasolo ny toeranao

Mitady anao hatraiza hatraiza
Ho olontiana sa sakaiza.....
Ka hampiaina indray ilay fitia
Hiara dalana ho doria.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1235 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 16/04/2011 12:37)
Mionona sombinaiko
Fa ny lalana mankany feno rafy
Ny hanadino anao tsy haiko
Saingy raha atao an-ditra mahafaty
Tiako halevina ny embona
Saingy nofongarinao ny taolambalony
Mantsy! tsy fitia vao mitrembona
Fa fararisan'ny tadidy no tantarany
...
Inoako mantsy fa any ho any
Nisy nahavita ankany
Ao am-pony mba ho anao
Na lavitra aza tsy mandao

Ka aza mihelohelo intsony
Ry aviavy tsy namony!
tiarah ( 22/04/2011 14:42)
Mankasitraka fa tsy ratsy ny setriny atolotrao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0672