"TOPIMASO" (Tolotra Misantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tora-po tsy satry navilin'ny maraina,
Saika hitaraina kinajo tonga saina tanaty indray ny lasa,
"re nanonja tampoka fa hoe tsy maintsy miasa"
Mamelona finoana.

Avy aho dia nifona,
Nivavaka malaky tanaty fisentoana f'indrisy nanadino,
Niala tao anatin'ny lisitry ny mpino;
Fa toa mpiangaly fatratra ny zavatry ny nofo.
Tsapako hoe toa niofo.

minitra telopolo aho no nanaikinaiki-molotra
Nandinika ny asa sy ny tsara mba natolotra,
Nakambako ny tanako,nakipiko ny masoko.
"MamindrĂ  fo amiko" no sisa antsoantsoko.

Tolotra Misantatra Antsirabe 07 janoary 2026
--------
Rohy:
Sokajy : Fibebahana
33 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tolotra Misantatra
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 07/01/2026 12:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202