NY TANIKO (TRADE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
He mampalahelo ahy ianao ry taniko , nefa indrisy!
Ny ho haniko aza tsisy
Ny kely izay mba azoko tamin'ny asa angady
Efa lany sahady
Fa vola valon-jato no tsinjaraina ho sakafo
Amin'ity fiainana efa lafo
Vary dimy kapoaka sy anana ihany
Dia vita ny androany

Ka aiza amin'izany àry no ahafahako miaro ity tenanao be
Na ohata aza hoe:
Ny taniko sy tranoko ary izay mety ho fananako
No tsy misy ajanoko
Fa amidiko daholo hatramin'ny lovan'ineny
Z'inona ireny?
Koa miala tsiny aho ry taniko, voatery ianao hamidiko
Hanamaivana ny adidiko
Ka aleo ny vahiny no hitondra firenena
Sy hitrandraka ny harena
Fa raha izaho izay tsy manan-karapaka
Mpitsimpona ny latsa
No hitantana anao sy hitrandraka safira
Ny angadiko aza bila.
Ka izay no fara-hery sy azoko atao,
Dia ny hivarotra anao.

Ha!!! ity lozako; Hamidiko ny taniko?
D'ilay tany tena mamiko.
Aiza indray ny hivelomako, ny trano honenako
Ary ny fasana hilevenako.
Tsia!! Tsy hamidiko ny taniko, tsy homeko an'iza n'iza
Fa arovako mandrakariva.

(10/10/00)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1210 1
Mpakafy: volana1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TRADE
Nampiditra : TRADUNI
Daty : 26/04/2007 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138