VAVAKA (TRADE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô tahio, izay malalako izay
Fa midadasika ny elanelan-tany mampisaraka anay
Ka ny tànanao mahery no ho tànako havia
Hitantana azy anaty tsiahin'ny fitia.

Ianao hiaro azy eny, hanampy azy amin'ny sarotra
Tsy sanatria mandidy anao fa mba miady varotra
Fa efa fantatrao ihany ny fitiavako azy iny
Izay tia hono adala, k'aza dia omena tsiny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TRADE
Nampiditra : TRADUNI
Daty : 10/05/2007 12:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854