Akon'Antsahamanitra (TRANAINY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Akon'Antsahamanitra

Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena

Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny asa fivelomana, fafy lainga, fandrahonana,maso be manganohano
Tsy zonao ny miteny, na hoe hilaza hevitra, sa ianao te ho voasambotra ?
Migadragadra fahatany, tsy afaka hiantso fahamarinana na koa mba hisarangotra

Miandrandra fahafahana sy tokim-piadanana isika malagasy,
Ka somary very hevitra sy toa niraviravy tanana ary koa nangasihasy
Fandrobana, fandravana,herisetra,mahatahotra ary tena tsy mitsitsy
Ireo no rivotra nafafy izay nataon-dralilison, ry Sarla, ny FIS

Nangina koa ny fiangonana, F'angaha tsy misy fahavononana?
Maromaro tsy hay tononina, no kivy ketraka sy tsy nahita fiononana,
Ary tsoriko etoana fa toa tsy nanana hery akory hamonjena fiangonana,
Toa resy ê, ka hany hery dia miandry eto ny fotoana izay higadonany

Ka hafaliana anie ny anay, nisentosento ravoravo fa toa misokatra ny lanitra
Raha vao nahare sy nilazana, fa isan-kasabotsy dia hofenoina Antsahamanitra
Hiaraka hanandra-bavaka, hiara-hihira fiderana, hiantso indray ilay Ray tsy To
Hijery ireto malagasy, trotraky ny tsy rariny ka miandrandra Indra Fo

Izaho mino, isika mino fa ny tanan'Andriamanitra dia mamikitra tsy manadino
Tan-Tsorony matanjaka, tsy hita maso, tsy mba raraka no nomeny antsika mino
Ka na basy marovava, miaramila sy forongony, no miatrana hanandevo vonona hamono
Andriamanitra no Niaro sy Niambina ny isan-tokony,tena tsapa tsy honohono

Ka andeha re ry Antananarivo, tsy resy ianao, fa mifohaza ary aza mety lao
Raiso ny baibolinao, ahondreho ny lohanao, antsoy ny Tompo izao dia zao,
Manokana ianao fotoana, isan'andro isan'ora, ka asandratonao ny Hanitra
Ankasitrahan'ilay Tompo,mandra-piandry ny sabotsy ho feno indray Antsahamanitra%

Tranainy, Afrika 20 janvier 2010 à 09H16
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1028 0
Hevitra mandeha
tranainy ( 25/01/2010 09:42)
Tononkalo niainga manoloana izao zavamisy eto amin'ny firenentsika izao, ekeko ny hevitrao maba ahafahako manitsy na sehatra inona na sehatra inona, na tsipelina, na fitsipi-pitenenana eny fa na dia ny loha-nevitra koa aza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TRANAINY
Nampiditra : tranainy
Daty : 25/01/2010 09:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141