Ny antsontsika omaly (TRANAINY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsontsika omalyTaitra tampoka aho andraoany, nahatsiaro ny antsoko omaly
Nandre anao ho tena faly,ny antsoko sa ny fianana any?
Raha ny antsoko? hatraiza nge, ny hiakiakany no ho re!!
Fo tsy matoky, tsy te-handre izay rediredy an-dalam-be
Nitia anao tanteraka aho,tamin'ny fo tsy nisy rahoraho
Mihisatra tsy te-handao raha vao seraninao
Kanefa dia toa fandatsana, sy fampirafesana mazana
No setrin'ny antsoko mafana, sahinao, tsy nihanahana
Androany indray dia hafa kely, tsy mety resy ianao mahery
Miventy indray toa tsy an-tery, ho tia doria tsy misy fery
Dia tairinao ombieny ombieny, ity foko adala tsy ampy hery
Hoe fitia feno tsisy tomika, no homaninao mba ho antsika
Fa reraka e, ty fo malemiko, tsy te hitia fandrao ho neniko
Ny fijaliana, haverimberiko, mangidy tena tsy mba teliko
Ka aoka aloha mba tsy ho tsiniko, vao haingan-doatra tsy hadinoko
Ny lefona natsatokao, tanaty foko tia anao
Ka dia tsisy akony amiko, na hirinao mafy mba ho mamiko
Izato tsiky avy aminao, teren-ko masa-dava izao
Ny foko mantsy no manda, ny saiko koa tsy tena sahy
Koa raha tia ianao dia mahareta, mba ho fitia tsy manam-petra
Tranainy : 15 Aogositra 2011
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
tranainy
(
15/08/2011 07:23)
Indarindray ny ratram-pitia dia mamela tandindona sy fery tsy laitrantsika hesorina, ny famelana hono no fanalahidin'izany, fa ny miantso famelana io ilay tena sarotra mazana