Diam-beloma - Tsi'kel
Azo vakiana?
Raha navela teo ilay tantara
Tsy tapitra akory fa nofaranana.
Fa hoy ianao hoe tsy anjara
Mafy tamiko ny fisarahana.
Tsy namaly fa voatery,
nanaiky ny hafatra navelanao
Ireo hafaliana taloha lasa fery,
Izay inoko fa tsy nandalo tao am-ponao.
Ny latsak'orana no reko,
nandena izato aina mijaly.
Ny rivotra sy atsiaka aza tsy tsapako
Ny maso toa nipiriritra fotsiny ihany.
Fo vaky, ranomaso nikoriana,
Ny feo tsy nivoaka, ny saina nitalao.
Fa ny tanako sisa no namafa mangina
Ilay diam-beloma izay navelanao.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Tsi'kel
Nampiditra : Tikwel99
Daty : 03/04/2013
Mpamangy : 1003
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Le droit d'Aimeramour caché, amour à l'outrance
Je rêve de retourner au temps
Zandrikely
Si seulement
C'est l'histoire d....
tenim-beloman'izay tsy mahafoy
Ce que je ressens