Mijery sisa no azo atao (Tsikirity48)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mijery sisa no azo atao



Mitopimaso isa-minitra
Mibanjina azy tsy mety ho vita
Mihanoka, manonofy an'izato lisy
Te hitango azy aho nefa dia indrisy



Lisy tokana rakofan-draozy
Ao anaty vazy tsara karakara
Tsy misy intsony izay mahory azy
Raha hitango azy aho dia efa tara




Notsilohin'ny Raozy ny manodidina
Ka raha angalatra azy aho de maratra
Izaho mo, Tsikirity kely maniditsidina
Fahadisoam-panantenana efa mahazatra




Naleony ho tangosan'ny sarivazo tsara loko
Izay matanjaka sy tsy mba malemy
Tsy maninona fa ho tahiry ho anao ny foko
Ny azoko atao sisa dia mibanjina sy mijery




Kiboniko ary izato fery
Kiboniko ho ahy irery
Kiboniko tsy han-tery
Ary tsy ho adinoko velively
--------
Rohy:
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikirity48
Nampiditra : Tsikirity48
Daty : 01/05/2026 06:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191