sentom pifaliana (Tsiry Sung)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sento tokana ihany
ilay hany faniriako eto an-tany,
dia ilay hafaliana sesilany
izay mitaiza ny fiainako hatrany...

be tokoa ireo manalasala
ny hakiviana, iaraha-mahalala
fa ny foko, tsy mitsahatra mitempo
ka izay no miteraka ny sento...

ny fitiavana ony, mampitony
mifanohitra amin'izay aza,
satria ny sento, mampikatona ny fony
raha be lalao toy ny zaza...

tsara vintana aho androany
tsy mba tezitra fa faly
milamina ny fiainako androany
nalamin'ilay sento tokana an-tany...

Tsiry Sung
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
684 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiry Sung
Nampiditra : Tsiry Sung
Daty : 09/11/2017 05:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139