Ampidiro aloha ny tenimiafina
SARY VOLANA (TSIRY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARY VOLANAIo volana io,
Raha manjohy ny any,
Sahala ny aty
Mba hiangaviko indrindra
Mba hampita hafatra :
« Diniho, banjino
Raha mety dia fihino
Izay teniny valio
Ary hitsikio angolangolakely »
Hampifanjohy antsika
Fa…
Raha sanatria tsy hita,
Miseho ho be marena
Tsy ho laitranao tenenina
Dia,
Ivilio, ipitsiho
F’efa renokin’ny tory
Ny ao anatiny ao !
Mody…
Kisarisary sisa
Navelany ho antsika
Mihelohelo io !
Miseho manjom-pika
Mitendry ty valihany
An-tsasak’alim-be
Dia…
eo ianao
ho voalangolangon'¬ity
taram-pazavany
Kanefa…
Io volana io,
Tsy afaka hifoha
Tsy afaka hampita
lay vetsovetsontsika
An-tany lavitr’any
TSIRY
--------
Lien:
Catégorie :
Hanina
