IANAO, IZAHO (Urhan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO, IZAHO

Ianao !
'lay nahasarika ahy,
Ka nanaiky avy hatrany
Ny fangatahanao
Tsy nisy ahiahy.
Dia nifankahalala teny
Hatramin’ny Ray aman-dReny.

Izaho !
'lay tsy nihambahamba,
Nanolotra anao
Taratasy vitsy toy ny lamba;
Enti-mandrakotra ny saina
Mba hanary koa ny laina.

Rehefa ela ny ela....

Ianao !
'lay sariaka, nahafinaritra
tso-piana tsotra izao,
kanto, meva zay no voafaritra.
Nambambo zato foko
nitady vato, sendra toko.

Izaho!
'lay vao mainka nankamamy
Nandinika anao.
Ny saiko dia any
Aminao tsisy fetra.
Na ora fatorin’ny olona rehetra.

Urhan sept 2013
--------
Rohy:
901 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Urhan
Nampiditra : Urhan
Daty : 08/10/2014 12:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133