SAFIDY (Urhan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko mangina,
Raha izay nirariana
No manjary harariana.

Aleoko ho tony,
Raha izao tontolo
Mandetika daholo.

Aleoko tsy hiteny,
Na eo ireo nenina
Manery, mahabadenina.

Aleoko hipetraka,
Hisaina kely ihany
Izany rehetra izany.

Tsy hoe faharesena,
Fa ny manetri-teny
No ilo-pahendrena.

Izay no sarobidy,
Tsy mba misy vidy,
Ekeko ho safidy.

Urhan 13006141744
--------
Rohy:
915 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Urhan
Nampiditra : urhan
Daty : 06/10/2014 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136