ILAY FITIA NANGALARINA (VELIRANO )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na izaho na ianao
dia samy tsy nisy nanampo
fa hoe hiafara amin'izao
ilay fifandraisantsika talohy

Fotoana tsy nampoizina akory
no nampitsiry ilay pitik'afom-pitia iray
fitia iray nidongy ny ho eo an-tsisin'ny fony
na dia efa fantatra aza fa tsy ho mandrakizay

Eny! tany am-piandohana dia efa fantatra
ary izay no nahatonga antsika hifanafatra
fa na izaho na ianao samy manan-tompo
nefa dia mifankatia an-tsokosoko

Dia nifandimby teny ny andro sy fotoana
izaho sy ianao anefa mbola teny foana
toa samy tsy te hamoy
ilay fiarahana fohy

Nisy hery nampifanantona tokoa ve izaho sy ianao?
sa dia adalana na koa hoe fanalana azy tsotra izao?
Asa? fa na izany aza ny saiko aloha tsy hino
hoe izaho sy ianao no hifanadio

Fa any andro any taona
inoako fa mbola hisy fotoana
hatsiarovanao ny lasantsika
sy ireo zavatra efa vita
--------
Rohy:
1830 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 22/02/2012 22:56)
tena voatantaranao amin'ny poeme fohy ny fiafndraisan'ny mpifankatia rehetra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VELIRANO
Nampiditra : DITSOKA
Daty : 11/02/2012 07:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014