TARA LOATRA (VELIRANO )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela aho no niandry ny fifonanao ry ilay havako iny
saingy efa tena tara loatra izy ankehitriny
efa navadiko ho an'olon-kafa ilay fitiavako fahiny
ka azafady aminao indrindra azatsiny

Ampy ho ahy ny ratram-po nampitondrainao hatrizay
ampy ho ahy ny fahoriana efa noentiko izay noho ianao dahalo
aleo angamba samy haka ho azy amin'izay
satria efa be ireo noleferiko , ny ntoeranao ihany koa efa voasolo

Raisiko ny fifonanao ry ilay tiako taloha
kanefa ny amintsika tsy hitohy intsony
lavitry ny masoko ianao ka zary lavitry ny fo
ka aza foazina intsony ilay fitia fa avelao ho hatory sy ho tony

Ny fiandrasako sy ny fandeferako dia misy fetra
ka amiko tia tena ianao, tia tena loatra
tia tena mihoatra ny rehetrarehetra
satria na tsy hiteny aza aho voatery rehefa tafahoatra

Adinoy aho fa tara loatra ianao sady inoako fa tsy anjara
ka aleo ireo faniriana sy ny efa vita hivalona ho tantara
ary ho anatry ny hafa sy ny ho avy any afara
fa efa niezaka aho namafa izay tavela sy ny lasantsika
satria efa navelanao ho irery ilay fitiavako ka zary nangatsika

Tara loatra ny fahatongavanao ankehitriny
fa efa nomeko azy avokoa ilay fitia nahilikao fahiny
KA TSY AFAKY NY HAMALY ANAO AHO FA OLON-KAFA INDRAY ANTSOINA
SATRIA EFA AN'OLONA NY FOKO KA OLON-KAFA INDRAY RE VOTSOINA!
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
1651 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VELIRANO
Nampiditra : DITSOKA
Daty : 11/02/2012 06:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133