Fitaka (Ventso ny nofiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitaka

Nanjombona sy maloka ny androko anio
Hatramin'izay anefa toa mamiratra foana.
Ilay rivotra mitsoka mora lasa niova ho tadio
Reko manonja, nandrotika ary nampisaona


Ilay feo miangotingoty sy mandrotsirotsy
Lasa feom-pahatezerana sy fankahalana
Hany ka tapitra sy vita hatreo ilay nofinofy
Hoe ho doria mandrakizay ilay fiarahana

Nitia aho nitia anao tamin'ny foko rehetra
Tsy mba nandrimbinako hoan'olonkafa
Nanantena ny fitiavanao ho tsy misy fetra
Hay fitaka sy lainga maro tsy voafatra


Ilay molotrao norohako milaza hoe tena tia,
ankehitriny milaza teny tsy fiteny toa zary ompa
Teny fitaka sy lainga ary feno fiatsarambelatsia
Nampatory sy nampandry izato foko very tompo

Zao vao fantatro fa hay mpihindrana fotsiny
Tsy izaho no tompony fa an'ilay teo alohako
Izaho ilay tsy natao hanatanteraka ilay nofiny
fa nataony kilalao ka tsy takatr'ilay lohako

Eny eh, mafy tsy tanty, tsy maintsy ekeko ilay fisarahana
marary, mafaitra ny ngidin'izany ka tsy hay hatelina
Anio aho dia anova ny famindrako, ka akako bahana
Hamadika ny pejy ka ho faranako amin'ny teboka tsisy nenina

malala ah, ilay malalako taloha, ilay tiako nefa namadika ahy
izao ny hafatro ataovy ao antsaina, anio aho lavo
Androany aho marary, malahelo, mitomany mijaly
Fa ampitso aho higoka fahasambarana, hifaly, hiravo

Tadidio koa anefa anio,fa ny lalana izay no diaviko
dia mbola ho diavinao ka tadidio ary ataovy ao antsaina,
androany aho nanaiky zay rehetra ary tsy nisy nolaviko
ampitso ianao anajaranao inadray no mody very maina.

Ventso ny nofiko
RANDRIAMABOLOLONA Patrick Thierry 24/01/24
--------
Rohy:
137 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko
Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 28/01/2024 04:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754