hanoratra aho! (vetso)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hanoratra aho!

hanoratra aho hoanao
hilazako ny ao am-poko
dia ilay fitiavako tsy mandao
tsy mety maty tsy miofo

hanoratra aho hoanao,
mba hizarana ny hafaliana
d'ilay faniriko fantatrao
hafalian'ny manan-tiana

hanoratra aho hoanao
hametsovetso ny fiarahana
eny, ho mandrakizay hiara-dalana
hoy ilay soratro, hoanao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1229 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vetso
Nampiditra : Lalakely
Daty : 22/10/2005 08:58
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094