vero (vetso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vero o, aiza ianao?
vero, valio fa miantso anao
vero, te ho eo anilanao
vero, mamalia raha sitrakao

dia hanontany ianao f'iza moa i vero
tsy hafa fa ilay hany mpanafaka alahelo
rehefa eo anilany, tsy misaraka amin'ny tsiky
sanatria zany alahelo, lasa toy ny tsisy.

vero, ilay be fandeferana
vero, ilay mandravaka ny saha
vero, maharevo izato felana
vero, ny fanirinao maha te hizaha

eny, tiako ianao ry vero
avelao aho ho eo anilanao
ho toy ny aty sy ny afero
miara-dia tsy mifandao
eny, ekeko tsotr'izao
fa ny fon'i vero anatiko ao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1092 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vetso
Nampiditra : Lalakely
Daty : 23/10/2005 13:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138