You are here: home > Vetso

ADIN-TSAIKO - VINA

Azo vakiana?

Ny tebitebiten-tsaiko rehefa izaho hatory
no mampivaloharika ny endriko toy izao
fa zay fihafiana
noho ny tsy fisiana
iainana tsy fidiny ato an-tokantrano akory.
Izay malala ny antony raha toa tsy fantatrao a!

Ilay trosan'ny ao avaratra takiny hiverina aminy,
iny koa no tena mampiady be ny saiko.
"onero sy hefao"
isan'andro vaky 'zao
nefa ny arotsaka aza 'ty tsy misy tokotaniny.
Ilainy anefa ny azy! ... inona no holazaiko?

in VINA

Sokajy : Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : VINA

Nampiditra : tala vina rakoto
Daty : 24/12/2015
Mpamangy : 713
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

SARY TENY
POETA IANAO
ETO...