Ny fanantenako (VolaSarik)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na be ny nanenjika, na be ny nankahalaNa be ny ts tia, be koa ny nanadala
Tsy mampiova ny fitiavako anao izany satria
Ny fitiavako efa natokako ho anao ho doria.
Na be ny nilaza fa toa ho nofy ihany
Ny amiko sy aminao indray andro any
Tsy nahoako,ireny satria fahavalo
Ka tsy sainiko akory fa teny mandalo
Na be ny naneso, na be ny nifosa
Fa ny antsika dia tsy mba ho tontosa
Tamin'ny feo mahery sy manakoako
Tsy nataoko ampiova ny fanantenako
VolaSarik (27/02/2010)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fanantenana
Hevitra mandeha
nannie
(
28/02/2010 06:09)
5/5
VolaSarik
(
28/02/2010 06:14)
😊