Ny fitiavako azy (VolaSarik)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manoratra aho ho fanembonana ilay malalako
Ilay tiako sy tsy foiko anefa dia nampijaly ahy
Nampahory, nampitomany ireto masoko an-kiroa
Anefa tsy arahiko alaelo satria be ny fitiavako azy

Manoratra aho mba hahafantarany izay tena ao am-poko
Amborahako izay rehetra reko ho azy
Na ny foko io mitempo, na ny saina lasalasa
Dia hoatosako ao avokoa mariky ny fitiavako azy

Manoratra aho tsy nohon'ny fo feno loatra
Fa nohon'ny anina, ela tsy nahita
Ka natonga aingam-panahy, nandraisako ny penina
Anoratako tononkalo mitantara ny fitiavako azy

Manoratra aho ho fahatsiarovan'any aoriana
Fony aho nilofika teo anatrehan'ny anarany
Nosoratako izany ato anaty ny diary
Ho jereko sy ho vakiko rehefa injay aho hahatsiaro "ny fitiavako azy"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1857 0
Hevitra mandeha
nannie ( 28/02/2010 06:07)
Ny mahavariana anie dia ilay nampijaly ihany no alahelovana e ! na dia tsy mendrika an'izany aza izy rehefa dinihina amin'ny saina tsy miangatra. Nefa dia izay no maha-olombelona... Rehefa tsy nahazo tambitamby firy taminy dia manantena hatrany izay tsara avy aminy... mahereza hatrany...
VolaSarik ( 28/02/2010 06:13)
zay lay fiaianan zanak olombelon e!...arakaraka ny ts azaoana zavatr iray no vao maika itsiriritana azy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VolaSarik
Nampiditra : VolaSarik
Daty : 27/02/2010 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132