maty aho - Vouromanga
Azo vakiana?
Hioso-potaka indray
ilay diho manjopika
voaray aho dia voaray
tsy ho efa ny andika.
Hierotr'andro imangan-danitra
handingan'antsan-dalina
dia hiaritra eny hiaritra
ny etraketraky ny mpialona
hidio anefa aho mialoha
fa ilay fahatokisana indrindra
no nahatonga ahy ho voa
tsy tsy fidiny fa rindra
natao ho anatry ny sisa
ka tsy ho maty aho fa voasedra.
VOUROMANGA
Sokajy :
ahy
Mombamomba
Mpanoratra : Vouromanga
Nampiditra : VouromangaDaty : 14/11/2016
Mpamangy : 822
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Izay no izyVONJEO
Iny ianao iny
Tsy foinao
Aiza
MANINA
Vao....
I Vouromanga