You are here: home > Vetso

Soa ihany misy anao... - Y'ajh ah

Soa ihany misy anao, mba namana itokisany
Mahafantatra ny aminy ka henoiny teny
Fa raha izaho manokana, matahotra ny ahiliny
ka hanafatra anao no sisa hany hery

Mahery saina aho, fa kanosa anatrehany
Ny hifanatri-tava aminy aza, tsy vitako akory
Matahotra ny foko, sao ka hopotehiny
Tsy ho rarahiany, na valiany mampaory

Ka iangaviako ianao, handresy lahatra azy
Hoe ankoatran'io tiny io dia misy any olona
Efa hatry ny ela no nijaly sasa-miandry
Naniry ny ho tiaviny, indrisy fa mionona

Lazao azy
Fa nanandrana nikipy hanadino ny fisiany
notinefy antsaina, fa "ho avy ny anjarako"
maika aza izany no nandrisika hampitsiry
Ilay fitiavana mangina, nofinidiko ho lalako

Fa ankehitriny hono oe, tsy tantiny intsony
Ny mitaraina isan'alina iny volana tomaratra
Ka ianao namany, no hitalahoako vonjy
Ahona ny atao, hahatonga anay hitambatra

Saingy,
Anontanio izy raha  mahatsiaro sambatra
Antratran'ny tiany, tompon'ny fitiavany
F'ianao irery iany, no afa-mahafantatra
Ny zavatra iainany indrindra fa ny miafiny

...

#Yajh_Aah
06/06/2020

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Y'ajh ah


Nampiditra : yajh
Daty : 10/06/2020
Mpamangy : 117
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

ADY
TAREHY AMAM-BIKA
RAHA TENA TIA IANAO
TSY FIDINY, Kanefa ...
NY FANAMBANIANA