Satria (Yono)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahatsara nofy izany fahitako anao
Naha tafandry mandry ilay fihetsikao aninkeo
Toa tiako ho hita foana, toa tsy mety hankaleo
Fa toa te hahita foana aho, toa te hahita anao

Satria ny endrikao no nanarona ny saiko
Namiratra mazava tanaty aizim-pito
Raha tao anaty nofy, foana toa tsy nisy haiko
Dia indro nitranga ilay endrika niriako

Satria ilay fofondranomanitrao no namelona ny aiko
Sendra henoko namoha ahy raha natory izany saiko
Nampisento tokana, nahafaly anaty
Namorona tsapa hafa, hafaliana tsy tanty

Satria ilay feonao toa nandindona ahy foana
Eny, tsy nety ho adinoko na dia nandingana aza ny taona
Toa mibitsika ahy, toa manafana reha sendra hatsiaka
Toa mandrotsirotsy, toa mampatsiahy ireo niainantsika

Satria ireo masonao miserana isan'ora isa minitra
Toa mandindona ahy, toa mitsiky rehefa ilaiko
Toa mahatonga ahy manahy rehefa tsy ianao no eo akaikiko
Toa izy ihany no mahavita misarika ahy moramora mirindra

Satria ilay fonao fa tsy ireo toetra ireo
Satria ianao irery no hany mahalala ahy
Satria aminao ihany ny fitiavako no aseho
Satria nofidiako ary inoako fa lahatra ho ahy

Yonö
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1287 1
Mpakafy: yono
Hevitra mandeha
mirananirina ( 18/09/2012 13:56)
tena tsara be,nisento kely mht aho namaky azy!Bravo
yono ( 27/09/2012 09:59)
Misaotra tompoko. :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yono
Nampiditra : yono
Daty : 17/09/2012 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137