Tsikinao miserana (Yono)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikinao miserana,
Masonao mitopy,
Ratsanao mamelana,
Tsy fitaka fa toky,
Endrikao miverina,
Mandalo foana eo imasoko,
Feonao mitoetra,
Mandindona tsy tantiko,

Rangotra misoratra,
Toa mampanembona ahy,
Lalana sy tohitra,
Manjary mampatsiahy,
Lay toerana fahiny,
Ilay sarinao nahantoko,
Ireo lasa niainantsika,
Toa tapisaka ato anatiko,

Aza manadino ahy sy ny masoandro nibaliaka
Aza manadino ireo zary tsiky niainantsika
Nefa adinoy kosa ireo rahona nandalo
Fa ho soloiko taratra arahin-kalokalo

Yono
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1294 2
Hevitra mandeha
hery ( 13/09/2012 06:53)
Tiako kosa
yono ( 17/09/2012 14:15)
Misaotra tompoko.
kiriah ( 24/09/2012 20:42)
"...Nefa adinoy kosa ireo rahona nandalo "... , tsara e !
yono ( 27/10/2012 20:41)
Misaotra e!
yono ( 08/08/2022 05:16)
Misaotra an'ikalamako nivetso fa tena mahafinaritra.
ikalamako ( 25/08/2022 13:53)
am-pifaliana foana e ! Mandrosoa hasina !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yono
Nampiditra : Yono
Daty : 11/09/2012 07:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143