Lavitra (Zaka Berthot RANDRIANASOLO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVITRA

Izany rivotra misiotsioka,
malefaka eny amin’ny tavako
Tsara, matehotia, nefa kosa,
tsy ao no ahitako… ny hasambarako.

Na dia milay aza ny andro,
mibalika ny masoandro
Raha lavitra ianao aho ry tiako
Toa haizin-kitroka no hitako.

Matsiaro anao foana aho
Tsy maraina tsy ariva,
Hany ka ny anaranao,
lasa nataoko hirahira

Eny e! Atao ahoana moa
fa ny tena dia lavitra
Jerijery, sy manantena ny fo..
ny fitiavan-tsika mba aharitra.

Tsy ho resin’ny alavirana
Tsy ho resin’ny taona
Fa mandrak’izay n’irina
Ho ankilanao, ka de mandrapihaona.

Lavitra | Zaka Berthot, 06 Febroary 2024.
--------
Rohy:
128 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zaka Berthot RANDRIANASOLO
Nampiditra : zakaberthot
Daty : 14/06/2024 06:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112