IZY (Zaka Berthot RANDRIANASOLO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria ve tia izy iny ka nararaotinao ?
Satria ve tia izy iny ka nataonao kilalao ?
Nataonao tsinontsiona ny fony,
Hany ka lasa kapoaka mangidy no nosotroiny.

Tamin’ireny…
Tena tia izy, tia tamin’ny fony.
Tena tia izy, natokany ho anao ny tontolony.
Kinanjo anefa diso ny fanantenany.
Kinanjo anefa, ratra ny hazony. Voafitaka ny fanahiny.

Kanefa…
Nandeha ny fotoana, ankehitriny izy nahita tsiky.
Nandeha ny fotoana, nifanena tamin’ny tia azy izy,
Ny zavatra efa tsy nantenainy, indro fa mbola nisy.

Nahita afaliana izy, natsapa hoe tia.
Nahita afaliana izy, nazava sy namirapiratra ny dia.
Ary ireo zavatra izay nolalovany tsy ho adinony.
Hanatra ho an’ny hoavy, tsy ny faikany no nalainy fa ny lesona sy ny tsirony.
--------
Rohy:
205 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zaka Berthot RANDRIANASOLO
Nampiditra : zakaberthot
Daty : 27/01/2024 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132