MITIA MANGINA? (Zandry kely Mitempo Fitia)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy olona mitia manginaFa tsy sahy miteny
Dia tazominy hoazy irery
Na dia miaina fangirifiriana
Ny ao an-tsaina lalina
Fa hoe hiteny mivantana
Dia indro fa misy sakana
Sakana hilaza ny marina
Dia mitia mangina foana
Fa tsy mba sahy mamboraka
Satria matahotra sy mivoraka
Dia indro fa lany fotoana
Tsy omena tsiny anefa
Ireo olona mitia mangina
Sao mantsy tsy ho tiana
Sao mantsy ho diso fiantefa
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Zmf11
