Ilay kintako (Zara sento)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fitiavako anao avy lavitra,mangina kanefa lalina
fanahy roa mifampitantana amin’ny sarotra
mifanerasera miafina.
Ao anatin’ny andro mangina,
eritreritra mandalo tsy ampoizina,
ny anaranao mamakivaky ny saiko
toy ny hazavana tsy sakanana hiposaka.
Tsy misy inona akory eo amintsika
afa-tsy teny voatahiry ao am-poko,
fijery iray mety haharitra kokoa,
sy izay rehetra ezahin’ny foko
hofehezina mba tsy hitsiaka.
Tsy miandry inona aminao aho akory,
tsy hanakorontana ny fiainanao,
tsy hangataka amin’ny anjaranao
mba hanova lalana noho ny aiko toro.
Ny hany iriko dia mba hisy toerana,
any ho any tsy hainao akory,
izay ahafahan’ny fitiavako miaina
tsy itambesaram-pahadisoana.
Fa misy fitiavana sasany
tsy miandry manantena ny hoavy.
Misy fotsiny izy ireny dia izay,
ny hakanton’ny fangirifiriany
fa tsy ho tanteraka mandrakizay.
Izany angamba no mafy indrindra :
mitia olona iray amin’ny fo
ka manaiky fa tsy hiara-hamindra
na inona masaka an-doha
Koa ho mamiko ianao ry ilay kintana
akaiky ampy hanazava ny alina,
nefa lavitra loatra ny fintana
na oviana tsy ho azoko tratrarina.
Indray andro any ianao hanontany tena hoe nahoana,
no toa feno ilay fahanginana;
angamba ho takatrao rehefa tonga ny fotoana,
Fa efa tiako ianao, tsy misy anombinana.
Tao anatin’ny teny rehetra
izay tsy sahiko notononina,
Tao anatin’ny fijery rehetra
izay nampangina ahy tsy nahy,
Nisy fitiavana iray tsy nety hohadinoina,
Afo tsy mety maty, na efa impiry novonoina.
-----------------------
Je t’aime de loin,
dans cet espace fragile
où deux âmes peuvent se reconnaître
sans jamais se toucher.
Je t’aime dans le silence des jours ordinaires,
dans une pensée qui revient sans prévenir,
dans ton prénom qui traverse mon esprit
comme une lumière qu’on ne peut retenir.
Il n’y a rien entre nous
que des mots soigneusement gardés,
des regards qui s’attardent peut-être un peu,
et tout ce que mon cœur
s’obstine à ne pas avouer.
Je ne veux rien te prendre,
ni troubler ta vie,
ni demander à ton destin
de changer de chemin pour moi.
Je voudrais seulement
que quelque part, sans que tu le saches,
existe une place où mon amour puisse vivre
sans devenir une faute.
Car certains amours
ne demandent ni promesse ni avenir.
Ils existent simplement,
avec la douleur magnifique
de savoir qu’ils n’auront jamais lieu.
Et peut-être est-ce cela,
le plus cruel des sentiments :
aimer quelqu’un assez fort
pour accepter de ne jamais l’avoir.
Alors je garderai ton souvenir
comme on garde une étoile derrière une fenêtre :
assez proche pour éclairer la nuit,
assez lointaine
pour ne jamais pouvoir l’atteindre.
Et si un jour tu te demandes pourquoi
certains silences semblaient si pleins,
peut-être comprendras-tu que je t’aimais déjà
dans tout ce que je ne t’ai jamais dit.
--------
Rohy:
