You are here: home > Vetso

Hafatra - zoarimamy

Azo vakiana?

Iny lanitra manga iny no ampitondraiko hafatra ho anao
Enga anie tsy ho diso lalana izy iny, ka ho fihininao lay antsoko milaza fa "tena tiako ianao".

Roa volana izay no lasa.
Roa volana monja nefa zary taona maro rehefa tsy eo anilanao.

Raha mba fantatrao mantsy ny ato anatiko ato,
te hanainga atsy ho atsy, te hisonenika eo anivonao.
Nefa indrisy tsy afa-manoatra, tsy maintsy miandry 'lay fiverenanao.
Eny ry malalako aza diso ela loatra fa sasa-miandry 'lay tantelinao.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

vetsoko (01/03/2005 14:13:52)

raha mbola misy ny farany dia tsy foana ny fanantenana ry se a!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : zoarimamy

Nampiditra : mainty
Daty : 23/02/2005
Mpamangy : 622
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Fahatsiarovana