Aok'zay ny ahiahy... (zoky)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aok'zay ny ahiahy...
ny hoe: mitia aho, olon-kafa ankoatranao
f'efa ianao 'lay nofinidy
ka tsy hanampy hafa intsony 'zay voafidy

Aok'zay ny ahiahy...
ny hoe: ataoko ankilabao
fa ny hany andro-piainako
dia tsy misy afatsy ianao

Aok'zay ny ahiahy...
ny hoe: ianao ihany no mitia
fa ny fitia 'zay omeko anao
dia toy ny loharano ka tsy ho ritra mandrakizay

Aok'zay ny ahiahy...
ny hoe: tsy mitovy isika
fa tsy misy tombo sy hala
ka adinohy hatreo ny fisalasalana

ka aok'zay ny ahiahy ry Malala
f'efa nisafidy hiaraka isika
ka n'inona hidona n'inona hitranga
Ny Tompo hatrany anie hitahy ny fiarahantsika.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/zoky/aokzay-ny-ahiahy
Sokajy : Fitiavana
1554 2
Hevitra mandeha
Mandefitra ( 08/12/2005 06:49)
Tsara be.Tohizo
zoky ( 08/12/2005 07:02)
misaotra an'i Mandefitra,tohizana fona rehefa tonga ny aingam-panahy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zoky
Nampiditra : zoky
Daty : 04/10/2005 16:46
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3004