FANALA SENTO ! (zoky)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jesoa ô! miodinkodina ny saiko
Tena miasa tsy miato
Mitambolina tsy haiko
Fa tsy mandry ivohon’ ny vato.

Adin- tsaina sesilany
Ka mandrongatra aok’izany !
Mitady fitsaharana
Fa tsy mahita hamaharana.

Eh ! tena iriko fatratra,
Izany hoe « ho tonga lafatra »
Ny faratampom- piadanana
No iriko mba hananana !

Ny ho lohany fa tsy ho rambony
Ny ho ambony fa tsy ambany
Fanamby tsy misy tambiny
Efa teniNao izany !

Fa raha manaiky Ahy ianao !
Ka hankatoa izany didiko
Hitoetra tsy handao !
Ka hanao ny safidiko :
Dia ho anao ny Teny
Ka ho voatahy ombieny (2).

Mahareta, mahareta !
Izay no Teniko aminao
Mahatantesa,mahatantesa !
Fa ho tovy aminao !

Ka ny teny fitahiana !
Ho anao ry ilay niaritra :
Ho tojo izay irina,
Hiaina sy ho finaritra
« Ka na kely am- piandohana ,
Dia ho lehibe ny fiafarana »

Izay no vetsovetso
Ho fanala izany sento !
Mahereza hoy Zokieva
--------
Rohy:
1416 1
Mpakafy: zokieva
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zoky
Nampiditra : zokieva
Daty : 25/07/2011 13:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142