NY POETA (FahNamby)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY POETA

Tsy poeta ny poeta
Raha mandalo fijaliana,
Ka tsy hahitana tononkira
Mitanisa fahoriana ao anaty diariny ao.

Tsy poeta ny poeta
Raha misedra zava_mafy,
Ka manaisotra fitafy
Na mirotsaka migafy ao an_tokantranony ao!

Fa ny tena hoe poeta?
Rehefa resy dia mangina,
Tsy milaza velively ny ao anaty fo marary
Fa ny soratra sy sary
No hamborahana an'ireny.

------------------------------------------

Tsy poeta ny poeta
Raha milaza ambongadiny,
Ny làlana nodiaviny
Sy 'zay rehetra hoe notiaviny tao am_pony tao!

Tsy poeta ny poeta
Raha mifidy 'zay ho anjarany,
Na manaja 'zay ananany.
Sy mitia hatramin'ny farany amin'ny tononkirany ao.

Fa ny tena hoe poeta?
Mahay mizara sy manafina,
Mahay mamitaka ombieny
Amin'ny tononkalo omeny.
Fa mitia mangina kosa an'ilay efa nekeny!

saino!
FahNamby
19/02/18
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1585 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : FahNamby
Inséré par : rfahendrena
Date : 05/03/2018 14:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143